Bakkekontakten

møter med mennesker, misjon & Madagaskar

Teolozia


Mpanompon'ny Teny sy ny Sakramenta, mpiahy ny olona

 

Lasy Pastoraly Nasionaly FLM, Antsirabe 14-19 Aogositra 2018

Pastora Arild M. Bakke

 

           

TENY FAMPIDIRANA

 

Ny artikla faha V ao amin’ny Aogostana sy ny ritoaly fanaovana ordinasiona ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy dia milaza mazava ny fisian’ny olona voatokana hitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy hampiasana ny Sakramenta. Ao amin’ny fanambarana ataon’ny Prezidan’ny Synoda ao anatin’ny ritoalin’ ny ordinasiona dia voapetraka tsara ny maha-mpanompon’ Andriamanitra ny pastora.  Hamafisina ao anatin’izany fanambarana izany koa ny hazava-dehiben’ ny fiahiana ny olona isan-karazany. Tsy misy fisalasalana fa ny maha-pastora ny pastora no hovelabelarina amin’ny lohateny hoe: ”Mpanompon’ny Teny sy ny Sakramenta, miahy ny olona”. Eny, tsy maintsy hita taratra koa ny hevitra maha-loterana ao anatin’ny fanazavana samihafa. 

------------

Tamin’ny taona 1866 no namoahan’ ny mpanoratra norveziana Henrik Ibsen ny tantara an-tsehatra malaza. Pastora anankiray no ivon’izany tantara izany ka nomena ny anarana hoe ”Brand”. Marihina fa ny taona namoahana io boky io no nahatongavan’ny misionery norveziana voalohany taty Madagasikara.  Nianatra teny malagasy tao Antananarivo ny pastora John Engh sy pastora Nils Nilsen nanomboka ny volana Aogositra 1866.

Tany Roma no nanoratan’i Ibsen ny boky ”Brand”, ary nahazo aingam-panahy mirehidrehitra manokana tao anatin’ny fiangonana St Petera ao Vatikana ny mpanoratra. Tsy misy resaka na momba ny tanan-dehibe Roma na ny pretra katolika anefa ao amin’ny boky. Izany Andriamatoa Brand izany dia pastora norveziana izay miasa any ambanivohitra any Norvezy Andrefana.

Mampieritreritra ary mahatonga ady hevitra hatramin’izao pastora Brand. Tena olona mijoro amin’ny heviny Andriamatoa Brand ary fatra-piaro ny foto-kevitra lehibe ananany. Mazoto ity pastora ity amin’ny fanorenana fiangonana sy fampibebahana olona ary fitazonana ny fahamasinan’ny Sakramenta.  Fa toa tsy hita taratra ny fitiavana sy ny fiahiana ary ny fihavanana. Ny làlana no hita betsaka, fa toa tsy miseho loatra ny endriky ny Filazantsara sy fahasoavana.

------------

Raha avadika ny pejy dia misy ny pastora malagasy samihafa azo raisina ho modely amin’ny fijoroana tsara sy ny fanaovana fanompoana mahasoa. Anisan’ izany ny pastora Gilbert Tahilo izay nodimandry tamin’ny faha-98 taonany. Teraka teto Madagasikara tany Atsimo izy, ary tany no niasany betsaka tamin’ny naha-pastora azy.  Voatendry ho Prezidan’ny Synoda sy Filoha Lefitry ny FLM izy. Nisy sarimihetsika kristiana momba ny fijoroany manoloana ny ady tamin’ny taona 1947, izay mitondra ny lohateny hoe ”Mandresy Andriamanitra”. Nisy koa ny fotoana nampianarany tao amin’ny toeram-pianarana teolojia ao Ivory ka nanoratany ny boky mitondra ny anarana hoe ”Teolojia pratika”, izay ahitana hevitra pastoraly lalina sady tsara. Isaorana ny Talen’ny STPL Bezaha tamin’ny namoahany indray mandeha ity boky ity tamin’ity taona ity. 

Nahay nametraka ny maha-izy azy ny pastora ny ray aman-dreny Gilbert Tahilo. Nampiarahiny ny fanitsiana sy ny fitiavana, ary nampifandanjany ny Làlana sy ny Filazantsara. Tena nanome lanja ny endrika fanompoana sy ny fijoroana amin’ny fitondrantena tsara ity ray aman-dreny ity. Anisan’ny hevitra tsara hita ao anatin’ny bokiny ny hoe: ”Ny fahaizana izay tsy miaraka amin’ny fitiavana sy ny finoana ary ny fanetren-tena dia tsy mahasoa ny Fiangonana, fa vao maika manimba azy”. Ary nahay nampiasa sary ho fampieritreretana koa izy: “Tantely eo an-tanam-boka ny zavatra rehetra ataon’ny Pastora raha tsy miaraka amin’ny fitondran-tena tsara”.

 

A – NY FIAINANA MAHA-PASTORA

Misy zavatra maro izay mampiavaka ny asa maha-pastora amin’ny asa hafa. Raha ny tena marina dia tsy asa loatra no hita taratra ao amin’ny zavatra ataon’ny pastora, fa fomba fiainana manokana.

Marihina fa manana tombontsoa tsy manam-paharoa ny pastora. Tsy ny zavatra tadiavin’izao tontolo izao no ao an-tsaina amin’izany. Ao amin´ny fanjakan´ Andriamanitra manko no misy ny asan´ny pastora. Tsy mitovy amin´ny fanjakana hafa izany fanjakan´Andriamanitra izany. Misy soatoavina miavaka. Misy harena hafa noho izay tadiavin’ny be sy ny maro. Mahazo tombontsoa hafa ny pastora izay tena mijoro amin’ny maha-pastora azy.

Fantatra fa ny pastora malagasy maro dia tsy mahazo karama sahaza ho azy. Tena mijaly ny pastora sasany. Tsy azo atao ny manamaivana ny fivelomana tsy ampy toa karama vary masaka. Ilaina ny fitadiavana vahaolana raha tsy voakarakara araka izay tokony ho izy ny pastora. Na izany aza dia tsara raha tafapetraka ao an-tsain’ny pastora rehetra fa misy tombontsoa sy voninahitra hafa noho izay hita taratra amin’ny fiainantsika izao izany. Misy ny zavatra andrasana mahafinaritra sady mamirapiratra any aoriana any.

Daniela 12:3 dia milaza fa ny mpitondra ny fahendrena sy fahamarinana dia hahazo toerana hamirapiratra: ”Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria”. - Raha eo am-pelatanan’i Jesosy isika ka azony ampiasaina dia izy ihany no hanandratra antsika ho kintana mamirapiratra. Voninahitra sy tombontsoa hafa noho izay tadiavin’izao tontolo izao izany.

Paoly dia nilaza ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Filipiana fa efa niezaka izy hanatratra ”ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony...” Noraisin’ny apostoly ho zava-dehibe ny manadino ny zavatra manjo azy et? ambonin’ny tany fa dia mifikitra amin’ny fiainana sambatra sy fiainana mandrakizay. Fohy ihany ny adim-piainana atrehintsika amin’izao ka tsara ny mifikitra amin’ny loka tsara indrindra omanin’ Andriamanitra ho antsika.

Ny apostoly Petera kosa dia mampahatsiahy momba ny ”satroboninahitra”. Voasoratra ao amin’ny 1 Pet 5:4: Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo”.

Gilbert Tahilo dia tena manome lanja ny asa maha-pastora. Toy izao ny fanazavany: “Ary mbola toy izany koa no iheveran’izao tontolo izao ny asan’ny Pastora, fa heveriny ho asa ambany tsy misy haja sy voninahitra. Fa hafa noho izany kosa no iheveran’Andriamanitra sy ny mino ary ny Fiangonany ny asan’ny Pastora, fa asa ambony sy be voninahitra tsy misy toa azy, satria asan’Andriamanitra”.

Diso lalana ny pastora raha mitady toeram-boninahitra ao amin’ny fiaraha-monina. Tsy ny mpanjaka ao an-tanàna na ny mpitondra firenena no atao modely eo amin´ny asan´ny mpitondra fiangonana, fa ny pastora mihitsy no mametraka endrika vaovao.

----------------

Anisan’ny maha-izy azy ny pastora ny fanoloran-tena sy ny fanompoana. Ny pastora dia tokony tsy hitarika ny olona avy eny amin’ny toerana ambony, fa mitondra ny olona amin’ny fametrahana ny tena ho ambanin’ny hafa. 

Jesosy niresaka tamin’ny mpianany izay niady seza ka nanao hoe: ”Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin´izy rehetra sy ho mpanompon´izy rehetra” (Marka 9:35b). 

Jesosy Kristy tenany no modely ho antsika. Nanasa ny tongotry ny mpianatra i Jesosy (Jao 13). Tao amin’ny fiaraha-monina jiosy dia asan’ny andevo izany fanasana tongotra izany ka tena fanetren-tena lehibe no nasehon’i Jesosy. Tsy kisendrasendra ihany no nanaovany izany. Tsy fihetsika nandalovany fotsiny izany, fa tena nametraka ohatra ho antsika izy, indrindra ho an’ny mpitondra fiangonana.

Ny fahasoavan’ Andriamanitra no iainan’ny pastora ka tokony ho hita taratra amin’ny fihetsika sy fomba samihafa izany. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: ”Efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana” (Matio 10:8). 

Fantatra fa ny Romana dia tena nanome lanja be ny voninahitra sy ny fanomezam-boninahitra. Tsy vahiny amin’ izany fiainana izany ny kristiana romana tao amin’ny fiangonana naorin’ny apostoly Paoly tao Filippi. Nanjaka ny fomba romana tao Filippi ka tafiditra tao am-piangonana koa ireo fomba fisainana samihafa taloha. Noho izany dia tena mahavariana ny zavatra nosoratan’i Paoly ho an’ny Filipiana. Raha ny maha-apostoly no matetika nosoritan’ ny apostoly tamin’ny fiarahabana amin’ny taratasy samihafa dia ny maha-mpanompo azy no nataony ho zava-dehibe tamin’ny andininy voalohany ao amin’ny Filipiana. Toy izao manko ny fiarahabana nataony: ”Paoly sy Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra…”

Na dia tsy nitady toeram-boninahitra ho an’ny tenany aza i Paoly dia nahay nanaja ny hafa ihany izy. Ny olona efa nametrahana andraikitra manokana amin’ny fitondrana ny fiangonana ao Filippi dia narabainy tamin’ny alalan’ny titra hoe “mpitandrina” sy “diakona” ao amin’io andininy voalohany io ihany.

Afaka nirehareha noho ny fiaviany sy ny zavatra efa nataony i Paoly. Tena olona niavaka amin’ny endrika feno voninahitra izy. Kanefa nametraka mazava i Paoly ao amin’ny Filipiana 3:7-11 fa nataony “fatiantoka” ireny tombony ireny. Intelo naverin’i Paoly io voambolana io ka tena hita taratra mazava ny havesa-danjan’io hevitra io. Eny, noraisiny ho “taimboraka” mihitsy ireny zava-tsoa teo amin’ny fiainany, mba hahazoany an’i Kristy. Ny endrika fanompoana no nimasoan’ny apositoly hatrany hatrany teo amin’ny fiainany.

Mbola nanan-kolazaina koa ny ray aman-dreny Gilbert Tahilo manoloana ny fanompoana: “Ny asan’ny Pastora no maha-Pastora ny Pastora. Ny manompo no tena voninahiny sy antom-pisiany, fa tsy ny hotompoina….. Azo lazaina, fa tsy misy mpifehy sy olom-pehezina eo amin’ny  asan’ Andriamanitra, fa samy mpanompo. Na izany anefa dia tokony hohajaina tanteraka izay voatendry hiandraikitra asa lehibe sy ambony ao amin’ny Fiangonana”.

--------------

Ny endrika fanompoana dia hita taratra ao amin’ny sary biblika mikasika ny fiandrasana ny ondry. Tena misy hevitra tsara ho an’ny pastora ao amin’izany sary izany. Na dia misy aza ireo mpiara-miasa ao amin’ny fifohazana izay mahazo ny titra ”mpiandry” dia tsy azo esorina amin’ny maha-pastora izany asa maha-mpiandry izany. Misy endrika fiandrasana tokoa ao amin’ny fiainan’ny pastora.

Ao amin’ny 1 Petera 5:1-4 dia hita fa Jesosy tenany no lohan’ny mpiandry rehetra sy modely amin’ny fiandrasana. Lazain’ny apostoly Petera ny endrika tokony hananan’ny mpitarika ny fiangonana manoloana ny olona ifandraisany: 1) Tsy mahazo manjakazaka, ary 2) Mila mandray andraikitra amin’ny fiandrasana.

Misy fomba fiasa telo amin’ny asa fiandrasan’ny pastora hita taratra ao amin’ ny 1 Petera 5:1-4.

-       Tsy sarotiny, fa manana zotom-po

-       Tsy mitady tombony, fa manolo-tena

-       Tsy mirehareha, fa mametraka modely tsara

Fantatsika tsara ny fiainan’ny mpiandry ondry na omby. Manana andraikitra amin’ny fitadiavana toerana isakafoanana ny mpiandry. Voatery mandeha amin’ny toerana mety misy fahavalo izy. Ny asan’ny mpiandry dia asa sarotra ka mila fandavan-tena. Ilaina ny faharetana, fahasahiana, fitiavana ary fahendrena. Mety mihatra aman’aina aza izany, toy ny hanoanana, hetaheta, hasasarana ary ranonorana. Mafy ny fahoriana iaretan’ny mpiandry, indrindra fa any amin’ny faritra tsy ampy rano sy be fahavalo.

Anisan’ny fiainan’ny pastora ny mitady sakafo ara-panahy sy miaro amin’ny zavatra ratsy ary mitady ny very. Misy endrika misionaly ao anatin’ny fiandrasana. Ny mpiandry tsara dia tsy maintsy mitady ny ondry very ivelan’ny vala. Tsy misy fetra izany. Sady manana andraikitra manoloana ny olona ao anatin’ny fiangonana sy ny olona ivelan’ny fiombonan’ny mpino ny pastora.

Endrika matanjaka ao anatin’ny fiandrasana ondry ny fifehezana, ny fiahiana, ny fahazotoana ary ny fanoloran-tena. Mila hita taratra ao amin’ny fiainan’ny pastora koa izany.

Mbola misy tenim-pahendrena napetraky ny pastora Gilbert Tahilo: “Asa tsy manam-paharoa eto ambonin’ny tany ny asan’ny Pastora. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra, sady solon-tenany amin’ny fiandrasana ny ondriny sy ny fitandremana ny Fiangonany ny Pastora.”

Tena misy tokoa ao amin’ny FLM ireo pastora izay manana fandavan-tena sy fanoloran-tena. Tsapa fa tena tian’ny kristiana sy ny fiaraha-monina ireo karazana pastora ireo.

                                                                                           

B – NY FANENDRENA PASTORA 

Araka izay efa voalaza tany am-boalohany dia amin’ny alalan’ ny fanendrena manokana no andraisan’ny pastora ny andraikitra maha-pastora. Milaza ny Aogostana faha XIV fa izay voatendry marina no avela hampianatra ny Teny sy hanolotra ny Sakramenta.

Ny pastora dia mampisy ny fiasam-pahasoavana tsy tapaka amin’ny alalan’ny Teny sy Sakramenta. Ary ny fisian’ny olona voatendry dia mahatonga ny fiasam-pahasoavana milamina sady tsy mikorontana.

Ny ordinasiona dia fomba ofisialy – amin’ny alalan’ny ritoalim-piangonana manokana – hametrahana ny andraikitra maha-pastora. Tsy mahatonga fiovana amin ny maha-olona ny ordinasiona, fa misy fanomezana andraikitra mazava kosa amin’alalan’ny fiantsoan’ny fiangonana sy ny fanatanterahana ny ordinasiona.

Zava-dehibe ny fandaminana tsara sy fitarihana mahomby ao amin’ny fiangonana. Izay mihitsy no antony hanokanana olon-kendry sady tsara fitondrantena ho pastora ao amin’ny fiangonana.

Milaza mazava ny fisian’ny fanendrena manokana ny mpitondra fiangonana ny Asan’ny Apostoly sy ny taratasy samihafa ao amin’ny Testamenta Vaovao (ohatra Asa 14:23 sy Titosy 1:5).

------------

Misy ny fanomezan-pahasoavana anatanterahana ny andraikitra maha-pastora.  Voalazan’ny 2 Tim 1:6 fa Andriamanitra no mpanome ny fanomezana ilaina amin’ny fanompoana azy. Soritana etofa mety ho raraka ao an-dàlana izany fanomezam-pahasoavana izany. Ilaina hatrany ny fanavaozana ny fanomezana sy anjara fanompoana voaray tamin’ny ordinasiona. 

Anisan’ny teksta mampahatsiaro ny ordinasiona ny 1 Tim 4:14.Voalaza ao fa misy ny fametrahan-tànana andraisana ny fanomezam-pahasoavana. Ny verbe passif ”edothe” ao amin’io andininy io dia manambara fa Andriamanitra irery no manome ny fanomezam-pahasoavana. Tsy misy resaka hery mifindra avy amin’ny mpametra-tànana ka tsy manana fototra biblika ny fiheverana fa misy ny ”fifandimbiasana apostolika”. Noho izany dia nolavin´i Lotera ny filazana fa misy fanomezam-pahasoavana pastoraly manokana mifindra avy amin´ny eveka mankany amin´ny olona atao ordinasiona.

Marihina fa miaraka ny fametrahan-tànana sy ny vavaka ao amin’ireo teksta biblika momba ny ordinasiona. Ny fametrahan-tànana sy ny vavaka dia fomba hahafahan´Andriamanitra manome ny fahasoavana ilaina. Tsy misy ny hoe ”endrika tsy azo kosehina” na ”character indelebilis”. Voalaza ao amin’ny epistily pastoraly fa mety ho very ny fanomezam-pahasoavana raha tsy misy fitandremana sy fiainana ao amin’i Jesosy.

---------------

Marihina fa tsy voatokana ho amin’ny toerana ambonin’ny fiangonana ny pastora. Ny fiangonana ihany no manendry ny pastora ary misy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fizarana andraikitra.  1 Petera dia sady mametraka mazava ny maha-mpisorona ny mpino rehetra an-kilany (2:4-5) no mananatra ny mpitondra ny fiangonana an-daniny (5:1-4). Ny kristiana rehetra dia fanjakam-pisorona, fa misy kosa ny andraikitra manokana ankinina amin’ny pastora.

Manana ny Fanahy Masina ny mpino rehetra ao amin’ny Testamenta Vaovao (1 Kor 12:12). Samy manana andraikitra sy anjara fanompoana ny mpino tsirairay, fa misy kosa ny olona voatendry hanana andraikitra manokana.

Rom 12: 4-6 dia mamelabelatra ny anjara fanompoana sy talenta samihafa: ”Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany”.

Rom 12:12 dia mametraka ny firaisankina sy fifampiankinana ao anatin’ny ”tena iray”: Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ny rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.

Anisan’ny maha-fiangonana ny fiangonana kristiana ny fisian’ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana isan-karazany. Ny fitiavana dia mampiray ny mpanompo tsirairay ao amin’ny fiangonana (1 Kor 13). Tsy misy intsony ny ambony sy ambany, fa miara-miasa ao anatin’ny fanompoana sy fizarana andraikitra ny tsirairay. Ao anatin’izany dia misy koa ny fifanajana sy fifampifehezana araka ny andraikitry ny tsirairay. Tsy mety raha ny maso no mitady ny toeran’ny tongotra, na ny tànana no te-haka ny toeran’ny loha!

Mampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fizarana andraikitra ny pastora Gilbert Tahilo: “Ny famelana ny asan’ny Pastora amin’ny Pastora irery dia famonoana ny Fiangonana sy famonoana ny aim-panahin’ny kristiana koa, satria araka ny iasan’ny kristiana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra no mampatanjaka azy ara-panahy. Ny fiangonana manompo no Fiangonana velona”.

Misy pastora malagasy niarahako niasa akaiky tamin’ny fotoana sasany izay nodimandry vao haingana teo. Nitombo dimampolo mahery ny isan’ny fiangonana tao amin’ny fitandremana sy fileovana nentiny nandritra ny dimy ambin’ny folo taona latsaka. Ny fahaizan’ity pastora ity nizara andraikitra tamin’ny laika sy ny nanomezany lanja ny mpiara-miasa no anisan’ny antony nahatonga fampiroboroboana sy fampandrosoana amin’ny faritra niasany any Atsimo Atsinanana.

 

D – MPANOMPON’ NY TENY

Asa lehibe ankinina amin’ny pastora ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra. Misy fifandimbiasana hatrany – hatramin’ny fiangonana voalohany – amin’ny fandraisan’ny pastora andraikitra amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Marihina anefa fa tsy ny pastora no mampiasa ny Tenin’ Andriamanitra, fa ny Tenin’ Andriamanitra no mampiasa azy.

Haintsika tsara ny fanazavana momba ny fitoriana ny Teny ao amin’ny Romana 12:13-17. Voalaza ao fa ny fiantsoana ny anaran’ny Tompo dia tanteraka noho ny finoana. Ny finoana an’i Jesosy Kristy anefa dia tsy tanteraka raha tsy misy ny fitoriana ny teny Soa Mahafaly. Ary tsy tafavoaka koa izany fitoriana izany raha tsy misy ny mpitory. Ny andininy faha-15 dia mampahatsiahy ny tenin’ny mpaminany Isaia manao hoe: ”Akory ny hatsaran’ny tongotr’ir? mitondra teny soa mahafaly!”  Ary tena mazava ny lanjan’ ny toriteny ao amin’ny andininy faha-17: ”Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.”

Rehefa miomana hitoriteny ny pastora dia toy izao ny vavaka azo atao: ”Andriamanitra Ray ô, mba ampiraiso amin’ ny teny voasoratra ny teny eo am-bavako hahitanay tsirairay ny Teny Fiainana, dia Jesosy Kristy Tomponay”.

Manoloana ny fanaovana toriteny dia izao ny zavatra ambaran’ny tompokolahy Gilbert Tahilo: “Ny Pastora izay manao tsirambina ny toriteny dia manamaivana ny maha-Pastora azy, satria eo amin’ny toriteny sy ny fampianarana no anatanterahan’ny Pastora ilay tenin’ny Tompo hoe: “Fahano ny ondriko”. Araka izany teny izany, ny toriteny dia sakafo atolotra ny ondrin’Andriamanitra”.

-------------

Mitohy ny fianaran’ny pastora. Na dia efa nahavita ny fianarana ao amin’ny seminera teolojika aza ny pastora dia mbola mpianatra foana. Tsy afaka miala amin’ny maha-mpianatra izy na dia manana ”doctorat en théologie” aza.  Ny mpanara-dia an’i Jesosy – na tamin’ny voalohany na amin’izao fotoana misy antsika izao – dia manana ny toerana maha-mpianatra. Tahaka an’i Maria rahavavin’ i Marta isika ka mila mandray ny toerana ao ambanin’ny tongotr’i Jesosy hatrany hatrany. Tokony hanana fahazotoana mametraka fanontaniana sy mitady valin-teny amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isika.

Misy zava-baovao azo ianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fanarahana an’i Jesosy isanandro. Miankina amin’ny Tompo mandrakariva isika fa tsy ho tonga lafatra na oviana na oviana. Ny toerana maha-mpianatra dia manampy antsika hanana fanetren-tena.

Misy fomba samihafa ianarana ny Tenin’Andriamanitra. Samy ilaina daholo ireo. Mahazatra ny teolojiana ny mandinika ny Soratra Masina amin’alalan’ny fianarana teny grika sy hebreo. Ilaina koa ny fahalalana ny konteksta sy ny tena dikan’ny voambolana sy fomba fiteny samihafa. Maro koa no nahita tombontsoa amin’ny famakiana ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, toy ny fanarahana ireo toko isanandro voalazan’ny Diarin’ny FLM. 

Ny Salamo voalohany dia mampahatsiaro ny fomba fandraisana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fisaintsainana andro aman’alina. Mahazo fiainana mahasoa – tahaka ny hazo eo amoron’ ny rano velona izay mamoa amin’ny fotoany – ny olona izay mampiankina ny fiainany amin’ny Soratra Masina.

Ny teny ampiasaina ao amin’ny teny fototra mikasika ny fisaintsainana ao amin’ny Salamo voalohany dia tena mahaliana. Ampiasaina koa io voambolana io amin’ny feo avoaky ny voromailala rehefa mitsindroka hanina. Amin’ny fifaliana sy fahazotoana no itsindrohan’ny voromailala hanina; ka tahaka izany koa no itadiavantsika sakafo ara-panahy amin’ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra. Tsara raha misy teny masina masahina sy averimberina hatrany hatrany.

Ny fakam-panahy nasehon’ny devoly tany an’efitra dia notoherin’i Jesosy Kristy niverimberina tamin’ny alalan’ny Soratra Masina. Ao amin’ny Matio 4:4 dia izao no teniny: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra”.

---------------

Rehefa mitoriteny isika dia mila raisina ho zava-dehibe ny manondro an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy sy Tompo. Jesosy no fototry ny toriteny, izy no rafitra anankinana ny toriteny, ary izy mandrakariva no tanjona. Jesosy Kristy no ivon´ny toriteny. Rehefa ao am-pontsika mpitory Jesosy dia ho tsapan’ny mpihaino  fa akaiky ny fanjakan´ Andriamanitra.

Rehefa mifikitra amin’i ”Jesosy voahombo” isika dia malaladalaka ihany ny fomba fitoriana samihafa. Ampahatsiahivina etoana fotsiny fa ao amin’ny testamenta vaovao dia misy karazana toriteny efatra raha lazaina tsotra: 1) Toriteny misionaly, 2) Fampahatsiarovana ny lova sarobidy ananan’ny mpino, 3) Fampianarana, ary 4) Fijoroana ho vavolombelona.

Ny toriteny misionaly – na kerygma – dia hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Misy fitodihana amin’ireo olona izay mbola tsy mahafantatra an’i Jesosy. Amin’ny endrika fiderana no amelabelaran’ny mpitoriteny ny asam-pamonjena vitan’ Andriamanitra. Misy koa ny fampibebahana noho ny zava-tsoa aroson’ny Tompo amintsika.

Ny fampahatsiarovana – na hypomnesis – dia toriteny manokana ho an’ny mpino.  Miverimberina ny teny hoe ”mampahatsiaro anareo” amin’ity karazana toriteny ity (ohatra Rom 15:15 sy 2 Pet 1:12). Ny fiangonana no ilazana ny zavatra efa fantany mba hahafahany mandroso bebe kokoa. Manoloana ny asan’ny devoly dia zava-dehibe hatrany ny mampahatsiaro ny asa vitan’i Jesosy. Mety ho kivy na mihemotra aza ny mpino sasany ka ilaina ny fampiankinana azy ireo tsy tapaka amin’ny fiainana fototra ao amin’i Jesosy. 

Ny endrika toriteny fahatelo dia ny fampianarana, na didaché. Mila ampianarina matetika ny kristiana rehetra – na zaza, na tanora, na olon-dehibe – mikasika ny foto-pinoana sy ny fiainana maha-kristiana.  Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia misy fizarana fampianarana telo amin’ny ankapobeny: 1) Ny fampianarana momba ny maha-Kristy an’i Jesosy sy ny asam-pamonjena vitany, 2) Ny etika kristiana, ary 3) Ny momba ny sakramenta sy ny fandaminana ny fotoam-pivavahana.

Ny endrika fahefatra sady farany dia ny fijoroana ho vavolombelona, na marityria. Mety miaraka amin’ireo karazana toriteny voalaza teo aloha ny filazana ny traikefa ananan’ny tena amin’ny fiainana ao amin’i Jesosy Kristy. Tena ilaina ny hahafantaran’ny olona itoriana fa tsy zavatra nianarana ihany ny zavatra ambara, fa tena hitan’ny maso ary ren’ ny sofina. Tsy foto-kevitra fotsiny ny finoana fa tena fiainana vaovao ao amin’i Jesosy Kristy. Ny fanarahana an’i Jesosy dia mety mahatonga fanoherana sy fanenjehana. Eny, indraindray dia misy aza ny fahafatesana noho ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristry. Voarakitra ao anatin’ny voambolana ”marityria” ny fijaliana sy ny famonoana noho ny finoana. 

Tsara ho marihina koa fa tsy omanina eo ambony latabatra fotsiny ny toriteny. Ilaina ny fandinihana sy fikarohana momba ny zava-misy ao amin’ny konteksta misy antsika tsirairay. Mila fantarina ny zavatra atrehin’ny olona ao amin’ny asa, ny ady samihafa sedrain’ny olona eo amin’ny fiainana andavanandro ary ny soatoavina lovaina misy ao an-toerana. Tsy maintsy hita taratra ao amin’ny toriteny ny fifaliana sy fahoriana miseho ao amin’ny faritra sy firenena iasana. Mety misy koa ireo fomba nentim-paharazana na mitsiry tsikelikely ao an-dàlana izay manimba ny fiainana ao amin’i Jesosy ka mila horesahina amin-pahendrena.

Rehefa mitoriteny isika dia sady mampahalala ny fihetsiketsehan’ny fanahin’izao tontolo izao no mampahafantatra ny zavatra asehon’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny Soratra Masina.

------------

Azo lazaina fa sady mpanompon’ny Teny no mpanompon’ny Sakramenta ny pastora. Tsy azo sarahina manko ny Teny sy ny Sakramenta. Tsy misy Sakramenta raha tsy misy ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tenin’ Andriamanitra izay vakina no mahatonga ny rano sy mofo ary divay lasa fomba anomezan’ Andriamanitra ny famonjeny. Ny Teny no mahatonga ireny zavatra azo tsapain-tànana ireny ho Sakramenta. 

Hoy ny foto-pianarana kely: ”Ny rano tsy mahavita zavatra lehibe toy izany tsy akory, fa ny Tenin’ Andriamanitra , izay miombona ao amin’ny rano, ary ny finoana izay matoky izany Tenin’ Andriamanitra izany”.

Notendren’ Andriamanitra ho fombam-pahasoavana ny fitoriana ny Teny sy ny fampiasana ny Sakramenta. Ny sakramenta dia tsy fisehoan-javatra et? ivelany fotsiny, fa Jesosy tenany tonga mamangy, izay Teny na Logos ho an’izao tontolo izao.

Ny Fanasan’ny Tompo sy ny Batisa dia mitory koa ny Vaovao Mahafaly. Ny kominiona dia mitory ny fahatongavan’i Jesosy fanindroany. Ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia mampahatsiaro koa ny fifandraisana amin’ireo mpino rehetra izay efa nahatratra ny fiainana mandrakizay.

 

D – FANOMEZAN-DANJA NY SAKRAMENTA

 

Misy ny fahasoavan’ Andriamanitra lehibe tsy takatry ny saina ao amin’ny fanomezana raisintsika ao amin’ny Sakramenta. Eo am-pelatanan’ny mpanompon’ Andriamanitra ny asam-pamonjena amin’ny fanatanterahana ny raharaha masina. Noho izany dia mila mahay mampianatra sy mitantana tsara ny pastora mba tsy hisy ny fanamaivanana ny maha-Sakramenta ny Sakramenta.

Voalohany dia tsy azo raisina ho raharaha majika ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo. Ao amin’ny rano, sy mofo ary divay dia tsy misy zavatra manan-kery ho azy izay manome famonjena sy fanavotana. Ny Tenin’ Andriamanitra dia manana toerana lehibe koa, ary ny Teny no ianteheran’ny finoana.

Ny kristiana ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy amin’ny ankapobeny dia manana fomba fijery realista manoloana ny Sakramenta ka tsy vahiny loatra aminy ny fanatrehan’ny tenan’ i Kristy sy ny rany ao amin’ny mofo sy divay. Toa tsy voatarika loatra amin’ny fomba fisainana reformé – izay manome lanja ny lafiny simbolika na ara-panahy - ny loterana eto Madagasikara. Fa diso kosa raha lasa realista loatra ny fandraisana ny raharaha masina ao amin’ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo. Tsy mandray famonjena ho azy amin’ny endrika majika manko isika amin’ny Sakramenta. Ilaina koa ny finoana velona sy fibebahana vokatry ny asan’ny Fanahy Masina.

Diso isika raha mihevitra fa ny fahazotoana mandray ny Fanasan’ny Tompo isam-bolana dia mahatonga fahadiovana ho azy. Tsy mitovy amin’ny fomba jentilisa manoloana ny fanatanterahana sorona ny fanatrehana ny kominiona. Ny sakramenta dia tsy fanadiovana ivelany fotsiny na fanesorana ny tsiny manoloana ny razana.

Raha tsy manana fahavononana hibebaka amin’ny zava-dratsy natao isika dia lasa fanamelohana ho antsika ny Fanasan’ny Tompo. Raha manatona an’i Jesosy kosa isika amin’ny fahavononana hiala amin’ny fiainana taloha dia mamela heloka sy manadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra izy ary azo antoka tsara ny fandraisantsika an’i Jesosy ao amin’ny Fanasan’ny Tompo. Tsy mahasoa na amin’inona na amin’inona ny Sakramenta raha tsy misy finoana, ary izany finoana izany dia mifikitra amin’ny teny fampanantenan’ Andriamanitra ao amin’ny Filazantsara.

------------

Fanamaivanana ny sakramenta koa ny fandraisana anjara amin’ny sorona nentim-paharazana na amin’ny ritoaly miafina. Tsy azon’ny pastora atao ny mampifangaro ny raharaha masina ao amin’ny fiangonana sy ireo ritoaly misy sampy na herin’ny maizina ireo. Miaina tanteraka ao anatin’ny fahasoavana sakramentaly ny pastora, izay tsy azony ilaozana na aiza na aiza no andehanany.

Efa vitan’i Jesosy ny sorona ilaina anadiovana antsika ka tsy misy intsony ny sorona fanampiny ilaina. Na dia zava-dehibe ao amin’ny fiaraha-monina aza ny fanaovana joro amin’ny fanokanana trano vaovao na manoloana ny fitrangan-javatra manokana dia tsy mahasoa ny pastora sy ny kristiana ny miatrika izany. Ny fiarahana tsotra no azo atao amin’ny fanomezan-danja ny fiaraha-monina fa ialana kosa ireo zavatra izay manafina ny fahasoavana lehibe ao amin’ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo.

Ao amin’ ireo fikambanana miafina moderina – na ao amin’ny francmasonery na ao amin’ny illuminiati – dia misy ireo ritoaly samihafa tsy maintsy lalovana. Raisina ho làlana andalovana avy amin’ny dingana iray ho amin’ny dingana manaraka ireo ritoaly ireo. Mahavariana fa toa mitady pretra sy pastora ireo fikambanana sasany ireo amin’ny fanatanterahana ny ritoaly. Misy mpitandrina ao amin’ny FJKM izay mijoro ho vavolombelona tamin’ny nahitany mivantana ny mpitandrina mpiara-miasa anankiray ao anatin’ny raharaham-pisoronana toy izany.

Tsara ho marihina fa mety misy tokoa ny hery majika ao amin’ireo sampana voalaza ireo. Mety mahita fahagagana aza ny olona manatrika sy mandray anjara. Fa tsy mampiankina antsika amin’i Jesosy Kristy velively anefa ireny ritoaly ireny. Hafa ny ao amin’ny Fanasan’ny Tompo. Atrehin’i Jesosy ny mofo sy divay amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra hahafahantsika mandray ny tenany sy ny rany. Izany tenan’ i Jesosy sy ny rany izany no manome antsika ny fiainana vaovao sy fiainana sambatra.

---------

Na dia tsy manaiky ny maha-simbolika ny sakramenta aza isika loterana dia misy ihany ny lafiny simbolika amin’ny fanatanterahana ny raharaha masina izay tokony homena lanja.

Mahazatra antsika ny fametrahana ny polipitra ao amin’ny toerana ambony sady akaiky ny olona mba hanomezana lanja tsara ny fitoriana ny Teny. Mahay manao alitara misy fandohalehana ho an’ny fanatanterahana ny Fanasan’ny Tompo isika. Mahagaga anefa fa toerana ambany sady tsy tsara loatra indraindray no anaovantsika ny Batisa. Tsara raha atao mitovy haavo ny sakramenta roa. Raha misy platform ho an’ny alitara dia tokony ho ao ambonin’io platform io no anaovana ny Batisa.

Raha misy ny mofom-pandraisana ahitana ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy dia ireny mofo ireny no tokony hofidina. Ny sary tahaka izany dia manampy antsika hahatsiaro fa Jesosy tokoa no tonga amin’ny alalan’ny mofo sy divay. 

----------

Amin’ny maha-raharaha masina ny sakramenta dia tsara raha hotanterahina amin’ny endrika milamina izany. Mila ho hita taratra amin’ny fihetsika sy fomba samihafa et? ivelany ny hazava-dehiben’ny zavatra atao.

Mila ho vakina miadana sady mazava ny ritoaly. Raha tsy mahay mihira ny pastora dia azony atao ny mamaky fotsiny ny ritoalin’ny Fanasan’ny Tompo.

Indraindray dia mihazakazaka be loatra isika pastora sasany noho ny hamaroan’ny olona sy ny fahateren’ny fotoana, ka dia maika tsy faingana toa dian-tana. Indraindray aza dia raraka ny divay noho ny hamehana. Mila ialana ireny fomba ireny. Tsara raha hitan’ny kristiana fa zavatra tsy manam-paharoa ny fanatanterahana ireo raharaha masina ireo.

Rehefa misy pastora roa na mihoatra miara-mampandray ny Fanasan’ny Tompo  dia tsara raha miara-mitodika izy ireo. Tsy voaelingelina ny mason’ny mpivavaka ao amin’ny fiangonana raha miara-dia ireo pastora ao amin’ny alitara. 

---------------

Reko fa tafiditra ho fitaovana amin’ny adim-piangonana sasany ny sakramenta. Tena mampalahelo sady tsy rariny raha misy olona tsy raisina atao Batisa na apotraka tsy ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo noho ny tsy fitovian-kevitra. 

Tsy hiditra amin’ny resaka fampijanonana olona noho ny fijangajangana na halatra na sampy isika izao, na dia mila fahendrena be sy fanarahana dingana samihafa aza izany. Ny votoatin’ny resaka eto dia ny fanaovana ny batisa na ny latabatra ho sehatra handresena olona amin’ny adi-hevitra. Manakona ny fahasoavan’i Jesosy sy ny fitiavany izay miady amin’ny mambran’ny fiangonana amin’ny fanatanterahana ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo. Tena mila fanavaozana pastoraly ny pastora tratran’izany.

Hoy Gilbert Tahilo: Ny zavatra rehetra ataon’ny Pastora eo amin’ny Fitandremany dia tokony ho fikarakarana ny fanahin’ny olona daholo na dia ny fihavanana sy ny fifaneraserana ara-nofo aza, eny, fa na dia ny fanonganana aza dia tsy tokony ho fanariana fa ho fikarakarana ara-panahy avokoa. “Tsy tonga hitsara Aho”, hoy Jesosy, “fa hamonjy”.

----------

Amin’ny fanomezan-danja ny sakramenta dia mbola misy fanontaniana anankray lehibe tokony hapetraka: Nahoana no mbola tsy afaka mandray ny Fanasan’ny Tompo ny zaza ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy? 

Ny sasany angamba mety milaza fa lasa maro loatra ny mpandray raha horaisina koa ny zaza. Heveriko anefa fa azo alamina izany. Ara-teolojia dia tsy voatery ho pastora daholo ny olona manolotra ny mofo sy ny divay. Raha misy pastora anankiray izay mitarika sady miandraikitra ny fanatanterahana ny fampandraisana dia azo atao ny mampandray anjara ny laika notendrena manokana amin’ny fizarana ny tenan’i Jesosy sy ny rany. Na dia ny apostoly aza dia nizara andraikitra tamin’ny hafa rehefa nihamaro ny olona (Aran’ny Apostoly 6:1-6).

Tsara ho marihina fa nisy eveka norveziana izay nampianatra momba ny fampandraisana zaza tao amin’ny KMSL tany Marolambo tamin’ny 2009. Nampianatra an’izany koa izy tao amin’ny SALT ka tsy vaovao amin’ny FLM ity hevitra ity.

Niteny mafy ny mpianany Jesosy rehefa nosakanan’ izy ireo ny zaza hanatona Azy. Napetrak’i Jesosy ho modely amin’ny fandraisana ny fanjakan’Andriamanitra ny zaza (Lioka 10: 13-16).

Raha mihevitra tokoa isika fa mpanota ny zaza ka mila famonjena dia mety manahirana ihany ara-teolojika ny tsy anomezantsika azy ireo ny tenan’i Jesosy sy ny rany. Marihina fa ny fiangonana ortodoksa dia efa nampandray ny zaza nandritry ny taon-jato maro. Maro koa ny fiangonana loterana manerana izao tontolo izao izay mandray ny zaza ao amin’ny komoniona, raha miaraka amin’ny ray aman-dreniny izy ireo. Fanamafisana ny maha-komoniona ny Fanasan’ny Tompo ny fisian’ny zaza miaraka amin’ny olon-dehibe.

Tsy manakana antsika hanohy ny fomba mahazatra manoloana  ny konfirmasiona ny fandraisana ny zaza ao amin’ny Fanasan’ny Tompo. Ny fanomezana ny tanora fampianarana tsara ny foto-pinoana sy ny fametrahan-tànana aminy dia mahasoa na manakory na manakory.

  

E – FANAVAHANA PASTORALY

 

Ilaina ny fahaizan’ ny pastora manavaka tsara ny zavatra samihafa ao amin’ny lafiny ara-panahy sy ao amin’ny fiainam-piangonana. Tsara ny fanavahana ny ankilany sy ny andaniny amin’ny zavatra samihafa ahitan’ny olona tarihina fiahiana tsara sady lalina.

Hain’ ny pastora ny fisian’ ny lalàna sy ny filazantsara. Ny sasany mahay manavaka tsara, fa ny hafa kosa dia mbola mampifangaro. Ao anatin’ny boky ”Ny Teolojian’i Loterana”, izay natolotry ny Misiona Norveziana tamin’ny jobily tamin’ny taona lasa, dia misy famelabelarana tsara mikasika ity lohahevitra ity. Amporisihina isika rehetra mamaky tsara ny toko mitondra ny lohateny hoe: ”Ilay fahazavana mahafinaritra dia ny fahasamihafan’ny lalàna sy ny filazantsara”.

Ampahatsiahivina fotsiny etoana fa samy manana ny asany ao amin’ny toriteny ny lalàna sy ny filazantsara. Ny lalàna dia mikapoka sy manameloka ary mamono, ary ny filazantsara kosa dia manafaka sy manavao ary mamelona.

Ny fahazavana vaovao azon’i Dr Martin Lotera tamin’ny fandinihana ny Rom 1:17 no nahatonga azy resy lahatra amin’ny fanavahana lalina ny lalàna sy ny filazantsara. Amin’alalan’ny Filazantsara no anamarinan’ Andriamanitra be famindrampo antsika amin’ny finoana, araka izay voasoratra hoe: ”Ny marina amin’ny finoana no ho velona”.

Ny zava-baovao hitan’i Lotera tao amin’ny Romana dia nisy fiantraikany tamin’ny fomba nandraisany ny Soratra Masina manontolo.

Ilaina ny toriteny momba ny lalàna. Ny fitoriana ny lalàna dia mahatonga fibebahana. Fa ao amin’ny toriteny dia mila miseho koa ny Filazantsara. Azo lazaina fa misy fahabangana lehibe raha tsy misy Filazantsara ao amin’ny toriteny amin’ny fotoam-pivavahana amin’ny Alahady. Ny olona nampibebahina dia mila mahita ny fahazavana ao amin’ny Filazantsara amin’ny alalan’ny toritenintsika. 

----------

Ny Testamenta Vaovao dia mametraka fahazavana vaovao koa mikasika ny sorona samihafa, araka izay efa voalaza teo ihany. Vitan’i Jesosy Kristy ny sorona manontolo ilaina hamonjena antsika. Tsy misy intsony ny mpisorona manafaka amin’ny fahotana ankoatr’i Jesosy Mpamonjy ao amin’ny fiainantsika.

Hatramin’izao dia misy endrika fisoronana amin’ny fanatanterahan’ ny Katolika ny eokaristia masina. Ny Loterana kosa dia mametraka fa tsy fanatitra ho an’ Andriamanitra no zavatra atao amin’ny Fanasan’ny tompo, fa fanomezana ho antsika. Ny tena aman-dran’i Jesosy ao amin’ny eokaristia dia tsy mba fanomezam-panatitra fa fombam-pahasoavana anankinana antsika mivantana amin’ny Mpamonjy sy Tompo.

Ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana – araka ny Testamenta Vaovao - dia samy mpisorona daholo ny mpino tsirairay. Ny Romana 12,1 dia milaza fa ny fitondrantenantsika dia fanatitra ho an’Andriamanitra. Ny andininy samihafa ao amin’ny Hebreo sy Petera Voalohany ary ny Apokalypsy dia manambara fa hita taratra ao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiainana ao anatin’ny vavaka ny fisoronana vaovao. Tsy ny pastora ihany no manatanteraka izany sorona ara-panahy izany fa ny mpino tsirairay. Miara-dia ny pastora sy ny mpino rehetra amin’ny fisoronana masina izay tsy misy ra. 

-----------

Ilaina koa ny fanavahana tsara ny fidirana amin’ny resaka politika sy ny fanohanana antoko politika.Manana hevitra ara-politika ny pastora, fa tsy manohana antoko politika ao amin’ny asany izy. 

Misy endrika politika amin’ny fijoroan’ny pastora manoloana ny zavatra tsy mety ao amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny bokin’ny mpaminany samihafa – ohatra Jeremia, Isaia ary Amosa – dia mitarika antsika hanohitra ny fitongilanana ao amin’ny fitsarana sy ny fitadiavana tombontsoa amin’ny alalan’ny risoriso sy kolikoly. Ilaina koa ny fiarovana ny mahantra sy ny sembana ary ny marary manoloana ny tsy fanajana ny rariny sy ny hitsiny. Raisina ho zava-dehibe koa ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitantanana tsara ny harena an-kibon’ny tany.

Tsy mora ny mijoro manoloana ireo zavatra ireo. Mety misy mpitondra voakitika ka lasa tezitra. Hitako anefa fa nandritra ny taona vitsivitsy dia nahay niresaka momba ireo zavatra ireo ny evekan’ny fiangonana katolika eto Madagasikara. Mila mijoro tsara koa isika mpitondra loterana.

Marihina fa afaka mandray andraikitra amin’ny asa fampandrosoana samihafa na ao amin’ny firenena na ao amin’ny fiaraha-monina ny pastora. Misy ireny fiaraha-miasa azo tanterahina miaraka amin’ny fanjakana. Rehefa tsy misy ny lokon’ antoko politika na zavatra mifanohitra amin’ny fiainam-piangonana dia afaka miaraka amin’ny fanjakana isika.

Ny tena tsy mety dia ny fanohanana antoko politika na kandida amin’ireo fifidianana samihafa ao amin’ny firenena. Manimba ny fiainam-piangonana ny pastora raha mampiseho lokon’ antoko politika na miara-miasa mivantana amin’ny kandida amin’ny fifidianana. Na dia loterana aza ny kandida dia tsy azontsika hatao kandidan’ny FLM. Tokony tsy hisy fandraisana vola avy amin’ireo kandida samihafa ao amin’ny fiangonana ao anatin’ny fotoana hanomanana fifidianana fa mety hamatotra antsika amin’ny endrika tsy ampoizina izany.

Lasa voafatotra amin’ny zavatra manahirana isika ao amin’ny fiangonana raha miditra amin’ny resaka antoko politika. Ny foto-kevitra lehibe manoloana ny fanamarinana sy fampandrosoana no tokony horesahina, fa manakorontana kosa ny fitongilanana amin’ny antoko politika.

Pastora Gilbert Tahilo dia nanana hevitra tsara momba ity zavatra ity koa. Hoy izy: “Azon’ ny olona rehetra atao ny mihevitra izay hahasoa ny Fireneny ary tsy misy mahasoa ny Firenena mihoatra noho ny asan’ny Pastora….Tsorina anefa, fa ny Pastora dia tokony tsy hiditra amin’ny antoko politika, na sarotra amin’ny sasany aza ny tsy hanao politika. Ny antoko politika manko dia fitokoana, na fizarana, na fifampiandaniana, ka tsy mendrika ny Pastora izay ray aman-dreny iombonana. ….Ho fadiny anefa ny manao fampielezan-kevitra (propagandy izany) ny amin’ny olona hofidiny, indrindra ao am-piangonana sy amin’ny fanaovana raharaha pastoraly. Efa voalazan’ny lalàm-piangonana fa tsy azo atao ny manao fampielezan-kevitra politika ao amin’ny tranon’ny Fiangonana na ny tanim-piangonana”.

 

Fehiny

 

Voaresaka tao amin’ny Teny Fampidirana ny pastora Brand. Tsy nampandroso ny fiainam-panahin’ny fiangonana ny fomba nanatanterahany ny asa. Nanana fihetsika sy fomba izay nanakona ny Vaovao Mahafaly sy ny Filazantsara ity pastora ity. Mila mametraka fomba fiasa pastoraly biblika isika. Raha manompo tokoa ny pastora ary manaja tsara ireny asa lehibe nankinina taminy ireny dia mahita fiahiana tokoa ny olona tarihiny. Mazava ho azy fa mila ampiarahina amin’ny vavaka ny zavatra rehetra atao.

 

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!