Bakkekontakten

møter med mennesker, misjon & Madagaskar

Teolozia


Ny rariny sy ny hitsiny

 

Amosa 6, 8-14

 

Ankaramalaza 30.07.16

Pastora Arild M. Bakke

”Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ny tenany,

Hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro:

Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’i Jakoba,

Ary halako ny tranobeny;

Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’

izay rehetra ao anatiny.

Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray,

Dia samy ho faty ireo.

Ary ny havan’ izay maty, na izay handevina azy,

dia hambeta azy

Ka hitondra ny faty hiala ao an-trano,

Dia hiteny amin’izay ao anaty trano hoe:

Mbola misy ihany va ato aminao?

Ary raha hoy izy: Tapitra!

Dia hovaliana hoe: Mangina re!

fa tsy tokony hotononina ny anaran’i Jehovah.

Fa, indro, Jehovah no mandidy,

Ka horavana ny trano lehibe,

Ary hotresatresahina ny trano madinika.

 

Mihazakazaka eny amin’ny sola-bato va ny soavaly,

Misy olona mampihosy omby va eny,

No efa navidikareo ho zava-mangidy ny rariny,

ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?

Dia hianareo izay mifaly amin’ ny zava-poana ka manao hoe:

Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?

Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho,

ry taranak’ Isiraely,

Hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro,

Dia hampahory anareo hatrany akaikin’i Hamota izy

Ka hatramin’ny lohasahan-driaka any amin’ny tani-hay”.

 

-------------------

 

Fotoana tsara andinihana sy amelabelarana ny maha-izy ny fifohazam-panahy ny fankalazana ny jobily fahadimy amby fitopolo taonan’ny fifohazana Ankaramalaza.

Nanam-pahendrena ny mpandamina ny fotoana tamin’ny fametrahana ny programa fampianarana sy toriteny samihafa, indrindra tamin’ny fifidianana ny bokin’i Amosa ho boky hodinihana manokana. Anisan’ny voka-pifohazana ny rariny sy ny hitsiny voaresaka ao amin’ ny bokin’i Amosa ka ilaina hatrany ny fanavaozana ny soatoavina sy fomba samihafa ahitana taratra ny fahamarinana ao amin’ny fiainantsika.

-----------------

Raha nankinina tamiko ny fifidianana teksta hotoriana amin’ izao anjarako izao dia azo antoka fa teny hafa ao amin’ny Soratra Masina no nofidiko. Mora kokoa amiko ny mitory momba ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay noho ny fandraisako andraikitra amin’ny fampianarana momba ny fanamelohan’ny Tompo sy ny fiainana ao anatin’ny fahaverezana.

Tsy mametraka fialan-tsiny anefa aho raha ijoroako ny Tenin’ Andriamanitra nomena ahy. Mila hotorihana ny Soratra Masina feno. Andriamanitra dia sady be fitiavana no masina. Mitarika antsika ho tia Azy sady matahotra Azy izy. Tsy azo andosirana Ilay Zanahary Mpahary antsika. Tsy azo lalaovina ny Mpitsara an’izao tontolo izao. Nomen’ny Ntaolo malagasy lanja ireo foto-kevitra ireo tamin’ny filazany hoe: ”Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha”.

Mino aho fa tsy mora tamin’i Amosa koa ny fitondrana ny hafatra feno fanamelohana. Voaenjika sady voaroaka tao amin’ny tanàna nisy azy izy noho ny fijoroany tamin’ny Teny nomen’ Andriamanitra azy. Ao amin’ny teksta novakintsika dia tsy misy fanambarana afa-tsy ny teny mamelabelatra fahaverezana sy fahamaizinana. Nambara fa ho lasan’ny mpitondra vahiny ny firenena. Ho babon’ny mpanjakazaka hafa ny olona. Ilaozan’Andriamanitra ireo tanàna efa nampisehoany fitahiana hatramin’ny fotoana fahiny.

Ohatra tena mahatsiravina ny filazana fa ho faty daholo ny folo lahy iray trano ka tsy ho vita intsony ny fiantsoana an’ Andriamanitra amin’ny fomba mahazatra manoloana ny fikarakarana ny razana. Very hevitra sy fanantenana tanteraka ny mpikarakara faty ka manao hoe: ”Mangina re! Fa tsy tokony hotononina ny anaran’i Jehovah”.

Voalaza mivantana fa fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra ny rehareha sy ny fitokisan-tena. Diso ny fiheverana fa avy amin’ ny herin’ny tena ny fahombiazana sy ny fivoarana. Mampisy fifaliana ”amin’ny zava-poana” ny fanambonian-tena. Ny rariny miova ho poizina ary ny hitsiny mivadika ho zava-mangidy. Lasa ”fisaka ny marina ka sarotra tadiavina”.

Nataon’ny mpaminany Amosa fampihomehezana aza ny fialan’ny olona amin’ny fanamarinana mahasoa sy ny fandaminana tsara. Tamin’ny naha-mpiompy sy naha-mpamboly azy dia naka sary akaiky ny fiainany andavanandro izy rehefa nanao hoe: ”Mihazakazaka eny amin’ny sola-bato va ny soavaly, misy olona mampihosy omby va eny?” Mazava ho azy fa ”tsia” no valinteny amin’io fanontaniana adaladala sady mampihomehy io. Tsy mahavita mihazakazaka velively ao amin’ny vatolampy ny soavaly, ary tsy azo ampandraisina andraikitra amin’ny fambolena amin’izany toerana izany mihitsy ny omby. Kanefa na dia mifanohitra tanteraka amin’ny fandaharan’Andriamanitra aza izany dia vitan’ny olona ”ny manameloka ny marina” ary ”manamarina ny meloka”.

Rehefa niainga tao an-tranonay ao Antananarivo izahay, an-dalana nankaty Ankaramalaza, dia nanao fahadisoana aho amin’ny maha-mpamily ny tenako. Tratran’ny embouteillage nanahirana tao Anosizato manko izahay ka ny tenako nanaraka ireo fiarakodia marobe nanorina filaharana vaovao tamin’ny ampahan-dàlana tokony halehan’ny fiarakodia hafa avy amin’ny zotra mifanohitra. Afaka tamin’ny embouteillage nalakilaky izahay, kanefa ny nanara-dalàna vao mainka sahirana sady tara. Tena nahatsapa fahadisoana avy hatrany aho. Sady tsy nanao ny rariny sy ny hitsiny no nametraka ohatra ratsy tamin’ny zanako.

Mety voan’ny feon’ny devoly aho izay toa nilaza tamiko nanao hoe: ”Tsy maninona ny fialanao amin’ny filaharana, satria nanao an’izany koa ny hafa”. Noeritreretiko tamin’ny voalohany fa tsy mahadiso ny manaraka ny fomban’ ny maro, kanefa tonga saina ihany aho ka tsapako fa tena tsy mety ny manamarin-tena amin’alalan’ny fakana tahaka ny ratsy. - Dia mifona aminareo izay voatery nihafy tamin’ny nakako làlana tsy rariny aho. Ary mifona indrindra amin’Andriamanitra Tompon’ny Fahamarinana tamin’ny tsy fanajana ny hafa.

Manome lanja ny olona tsirairay tsy ankanavaka Andriamanitra. Ny olona rehetra dia voaary ”araka ny endrik’ Andriamanitra” ka samy sarobidy avokoa. Tsy misy olona ambony saranga na olona ambany saranga ao amin’ny Zanahary. Samy manana ny maha-izy azy sy ny anjara-toerana tsara sahaza azy ny tsirairay. Tsy zakan’ Andriamanitra ny fanaovana tsinontsinona olona, indrindra ny madinika sy ny mahantra ary ny sembana. Mila ho hita taratra ny fahamendrehana sy ny fahamarinana ao amin’ny fifandraisana eo amin’ny samy olona. Ny marina dia tsy hoe foto-kevitra ankapobeny tsy azo tsapain-tanana akory fa tena toetran’olona. Ny toetran’ Andriamanitra no fenitra amin’ny marina.

Ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Amosa, ohatra ao amin’ny 5,10-15, dia manameloka ny fanararaotana sy halatra amin’ny fanaovana varotra. Voalaza koa fa tsy rariny ny fanilikilihana olona ao amin’ny tribonaly. Ratsy eo imason’Andriamanitra ny risoriso ao amin’ny fitsarana. Ambaran’ Andriamanitra amin’ alalan’ ny mpaminany Amosa ny fanoherany ny fanaovana tsinontsinona izay milaza ny marina ary ny finiavana hanome sy handray kolikoly. Vao maika mahatezitra an’Andriamanitra raha ny risoriso sy ny fanambakana no miaraka amin’ny fihazakazahana mivavaka amin’ireo fotoam-pivavahana masina sy fivoriambe ara-panahy. Tsy manamasina ny fahadalana Andriamanitra. Toy izao ny teniny: ”Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, Ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina” (Amosa 5,21).

Nametraka modely sy hafatra tsara ireo ray aman-dreny tao amin’ny fifohazana. - Dada Rainisoalambo tao Soatanana dia nanome lanja ny firaisankina sy ny fifankatiavana. Ny teniny farany talohan’ny nahafatesany dia ny fametrahana ny maha-zavadehibe ny fitantanana tsara sy madio eo amin’ny lafiny ara-bola. - Dadatoa Rakotozandry Daniel tao Farihimena dia tena nampibebaka ny olona tamin’ny fitaka sy fanararaotana. Notarihiny ny olona iaina ao anatin’ny fahamarinana tanteraka ka maro no sady voatarika nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra no nitady fihavanana tamin’ny olon-kafa efa nanaovany zavatra tsy mety. - Mama Volahavana Germaine teto Ankaramalaza nahay nampitovy lanja ny olona rehetra. Tsy niavaka ny fomba nifandraisany tamin’ireo olona nanana diplaoma ambony sy ireo tantsaha tsy nahay namaky teny. Nitovy ny fomba nihaonany tamin’ ireo mpanjaka eto amin’ny faritra niaviany sy ny mpitondra fanjakana fara-tampony. Tamin’ny fomba fijeriny dia tsy nisy ny hoe andriana na olona ambany fiaviana. – Hita fa natahotra an’Andriamanitra ireo ray aman-dreny tao amin’ny fifohazana ka zava-dehibe taminy ny fanamarinana.

 

Misy zavatra tsara ao amin’ny soatoavina malagasy momba ny hoe ”fihavanana”. Hita taratra ao anatin’ny fihavanana ny firaisankina sy ny fifanajana ary ny fifandeferana. ”Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Tsy miseho kosa ny fampihavanana biblika – izay sady manome toerana ny fiadanana no manome lanja ny fahamarinana – raha ny fianakaviana na mpiray-fiaviana ihany no tafiditra ao amin’ny fampanjakana ny fihavanana. Ny fihavanana marina dia ahitana ny fitovian-jon’ ny olona rehetra. Raha tompon’andraikitra voafidy na voatendry ny tena – na ao amin’ny fanjakana na ao amin’ny fiangonana – dia tsy azoko atao mihitsy ny manome tombontsoa manokana ho an’ny ankohonako na ny fianakaviako na ny mpiray tanàna amiko. Fa rariny kosa raha ny karamako na fivelomako no ampiasaina amin’ny dadatoa sahirana na ny renibe marary na ny zanako mianatra.

Manahirana ihany ny fiheverana fa ”ny vola no maha-rangahy”. Tsy ahitana ny maha-izy-antsika ny vola. Ny vola dia fitaovana fotsiny, fa tsy manome lanja amin’ny maha-olona antsika velively. Maro ny zavatra simba – na dia ao amin’ny tokantrano aza – raha voabaikon’ny vola ny olona. Ny fahamarinana sy ny fifankatiavana kosa dia tena anisan’ny maha-olon’Andriamanitra antsika. Mahafinaritra fa misy ireo olona napetrak’ Andriamanitra ho ohatra tsara manoloana ny fanajana ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny fiarahamonina:

Ohatra voalohany: Tamin’ny fotoan’ ny fifohazana lehibe anankiray tany Norvezy dia nandray andraikitra tamin’ny fanondranana tondro tena tsara karazana ny mpifoha. Tena nankafy io karazana tondro io ny olona any amin’ny firenena eoropiana sasany. Nahazatra ny olona any Eoropa Atsimo ny nandray barikan-trondro avy any Norvezy izay nisy ireny tondro ratsy sy lo tao amin’ny farany ambany. Gaga kosa izy ireo rehefa nandray barika avy amin’ireo mpifoha ara-panahy, satria tsara ny tondro rehetra hatrany an-tampony ka hatrany amin’ny farany ambany. Tsy nisy ny fitaka. Hita taratra ny voka-pifohazana izay manome lanja ny fanamarinana ao anatin’ny varobarotra.

Ohatra faharoa: Maro ny norveziana efa nanao asa misionery tany Chine alohan’ny nahatongavan’ ny komonisma tamin’ny 1949. Nisy fotoana nahitan’ny misionery fifohazana ara-panahy natanjaka koa tany Chine ka nampisy fiovana betsaka tamin’ny fiainan’ny misionery sy ny kristiana sinoa. Tena novan’ Andriamanitra ho ”fo nofo” ny ”fo vato”. Indray andro dia nanatona ny misionery mpampiasa azy ny mpahandro sinoa anankiray. Vonton-dranomaso ny tarehiny ary teo am-pelatanany nisy servieta. Dia izao no nolazain’ny rangahy sinoa: ”Ity servieta ity dia nangalariko taminao. Malahelo be aho noho ny fahadisoako ka tsy maintsy miaiky ny heloko sy mangataka famelana avy aminao.”

Ohatra fahatelo: Fony izaho nanao ny asa maha-misionery tao Manakara tamin’ny fahatanorako dia niara-niasa tamin’ny mpiandry anankiray feno fanoloran-tena aho. Azo lazaina fa sahirana ara-pivelomana io ramatoa io, kanefa nijoro tamin’ny fahamarinana hatrany. Tena tsapako fa sady tia no nahatahotra an’ Andriamanitra izy. - Indray mandeha dia naniraka ny zanany nividy boky kristiana vitsivitsy tao amiko io namako io. Nanao ny kajikajy aho ka nisy famerim-bola kely nomeko ilay zazavavy. Angamba antsasakadiny raha ela indrindra dia tonga nihazakazaka nankaty amiko ny maman’ilay zaza ka toy izao ny filazany: ”Tsy maintsy tonga aty aminao ny tenako, satria tafahoatra ny famerim-bola nomenao ny zanako. Ity ny volanao.”

Ohatra fahaefatra: Mahafantatra mpitsara malagasy anankiray aho izay miavaka amin’ny mpitsara sasany. Mampiseho amin’ny fiainany sy fombany izy fa misy tokoa Andriamanitra Mpitsara. Tena tsy mankato ny risoriso sy kolikoly io ramatoa io. Maro no efa nitady hevitra nividianana ny fanohanany tamin’ny alalan’ny fanomezana azy tsolotra, fa tsy nety voavidy mihitsy io mpitsara io. Zava-dehibe aminy ny rariny sy ny hitsiny ka tsy te hahalala fitongilanana ao amin’ny fitsarana izy. Rehefa nisy ny olona sahy nanolotra vola maloto tao amin’ny biraony dia toy izao ny valinteniny: ”Raiso ny volanao. Tsy azo atakalo vola ny fanahiko. Malalaka ny varavarana ivoahana raha vola no tianao handresen-dahatra ahy”.

 

Mampibebaka ny tenako sy ny tenanao ny Tompontsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Tezitra ny Mpanjakan’ny Fahamarinana amin’ny fanamaivanana ny rariny sy ny hitsiny. Mitady fahitsiam-po amin’ireny zavatra madinika na amin’ny raharaha lehibe ireny Andriamanitra.  Ny fiarahamonina milamina sady tsy mitongilana no tadiavina. Mandroso tokoa ny firenena sy ny fiainan’ny tsirairay raha manjaka ny fahamarinana. Na dia ireo mpandraharaha vahiny izay manararaotra ny fahantrana aty Madagasikara aza dia tsy tafavoaka amin’ny teti-dratsiny raha misy ny fangaraharana sy ny rafitra madio.

Tena mahalatsa-dranomaso ny risoriso amin’izao. Azo antoka fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ireny filalaovam-bola tsy marina isan-karazany ireny. - Ny mpitondra taxi-brousse Antananarivo-Morondava dia milaza fa amin’izao fotoana izao dia misy ny fandoavam-bola farafahakeliny indroapolo isaky ny taxi-brousse any amin’ireo poste de controle eo anelanelan’i Antananarivo sy Morondava. Raha arivo ariary no voaloa isaky ny toerana dia manodidina ny efatra alina ny vola lany amin’ny risoriso mandroso- miverina. Ny volan’ny mpandeha madinika amin’alalan’ny saran-dalana ihany no tsy maintsy andoavana ireny zavatra ireny. Ny tena ratsy dia tsy vitan’ny mpitandro filaminana intsony ny fanaraha-maso mazava ny fiara sy ny mpamily. Noho izany dia afaka foana ireny mpamily manaonao foana ireny sy ny fiarakodia misy olana ara-tekinika. Ny loza mahatsiravina isan-andro no anisan’ny vokatr’izany. Ary simba ny aim-panahin’ny mpanome sy ny mpandray io kolikoly io.

Hitako fa maro no malaky manome tsiny ny mpitondra fara-tampony amin’ity resaka risoriso ity. Marihina fa ny firenena dia tsy ahitana ny mpitondra fotsiny fa ny olom-pirenena tsirairay mihitsy. Ny mpitondra ambony dia taratry ny fiainana amin’ny ankapobeny ao amin’ny firenena, na tsara izany na ratsy izany. Raha samy manana fitondrantena mifandray amin’ny foto-kevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Amosa ny maro dia hiova ny firenena. Rehefa manjaka ny fahamarinana izay hita taratra ao amin’ny Soratra Masina dia tsy maintsy hisy fandrosoana sy fivoarana amin’ny lafiny maro.

Na dia ny fiainam-piangonana aza mila fanitsiana sy fanavaozana. Ohatra anankiray ny fandaminana rakitra. Tsy rariny raha voalaza ao amin’ny filazan-draharaha fa vola ho an’ny asa iombonana ny vola rehetra voarotsaka ao amin’ny kitapo anankiray, kanefa avy ao dia tazonin’ny fiangonana ao an-toerana ny dimampolo isanjatony anamboarana gorodona carreaux ao amin’ny trano fiangonana na hamenoana ny banga ao amin’ny karaman’ny pastora. Raha voalaza kosa fa ny antsasany hatokana ho an’ny asa iombonana ary ny antsasany ho an’ny fampandehanan-draharaha ao an-toerana dia tsy misy olana. Ny mangarahara sy ny marina no tadiavana amin’ny fitantanana rehetra.

Tsy fantatro raha diso manongilan-tsofina be loatra aho. Fa izaho mahare fa amin’ireo fifidianam-piangonana sasantsany nisy tamin’ity taona ity dia efa nisy fizarana vola sy zavatra hafa. Enga anie ka mba ho tsaho fotsiny izany. Marihina fa tsara amin’ny ankapobeny ny fizarana vola sy fananana. Fa tsy rariny kosa raha misy fieritreretana tombontsoa ho an ny tena - indrindra amin’ny endrika fitadiavana toerana manokana – ao ambadiky ny fizarana. Vola maloto izany. Mitondra ny anarana hoe ”risoriso” na ”kolikoly” ny fitadiavana toerana na tombontsoa ho an’ny tena amin’alalan’ny fanolorana vola ho an’ny mpifidy na ho an’ny mpandray fanapahan-kevitra. Tsy ahitana ny fitahian’ Andriamanitra velively izany!

Toa tsy mitombina loatra ny fiheritreretana fa efa nisy fahizay ny fizarana fanomezana ao amin’ny fifidianana ka tsy maninona ny mandray kely. Simba ny aim-panahy sy ny maha-mpanompon’Andriamanitra ao anatin’ny fifandraisana voafehin’ny toe-zavatra toy izao. Tsy hita taratra ao amin’ny soatoavina apetraky ny bokin’ny Amosa manko ny fomba fiteny manao hoe ”hano fa adala tompo”. Marihina koa fa tsy azo havahana ny toerana maha-mpanolotra sy ny toerana maha-mpandray ity karazana fanomezana maloto ity. Ilaina ny fisainana sy fihetsika madio hatrany. Ilaina ny fangaraharana sy fahadiovana amin’ny fifandraisantsika samy olona. Ilaina indrindra ny fahatahorana an’ Andriamanitra izay Mpiaro ny Fahamarinana. Mila mitandrina tokoa isika mba tsy hivadika ho zava-mangidy ny rariny ary ho zava-mahafaty ny fahamarinana.

Mametraka fomba ratsy tsy azo fehezina ny mpilalao-vola voaresaka teo. Lasa zatra miaina ao anatin’ny fanapahan-kevitra miankina amin’ny fizarana vola ny olona ka mety hiseho ny vokatra tsy ampoizina sady mahatsiravina aoriana any. Tsy azo iadian-kevitra manko fa mety hanana kandida manokana ny Mozolmana manoloana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny manaraka ka mety ho mora ho an’ny fikambanana arabo ny hividy mpifidy maro amin’ny fizarana vola betsaka raha tsy matotra ny fisainana. Raha tsy misy ny fifampifehezana ao amin’ny fandaminan-draharaha ao amin’ny fiangonana dia vao maika sarotra ny hametraka izany ao amin’ny raharaham-pirenena.

 

Mibebaha amin’ny tsy fahamarinana rehetra! - Mitady ny rariny sy ny hitsiny ny Tompo sy Mpamonjy antsika. Te hahita fitondrantena ao amintsika izay miavaka tanteraka amin’ny fomban’izao tontolo izao i Jesosy Kristy.

Mbola misy fotoana izao hiovana amin’ny tsy mety natao. Aza mihevitra an’ Andriamanitra ho tsy mahita ny atao. Fa ny adala no mihevitra fa tsy misy Andriamanitra. Hoy ny Amosa 5,14: ”Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona hianareo”.

Mora amintsika ny miaina ao anatin’ny fandosirana sy fiafinafenana. Tsy azo andosirana anefa Zanahary. Akaiky antsika foana izy. Mahita ny miafina rehetra. Na dia voalaza aza ny hoe ”Mangina re!” dia mbola mitady antsika Andriamanitra.  

Misy fiainana vaovao ho an’izay mibebaka sy manaiky ny fahotana. Manome fanavaozam-panahy sy ny fanazavan-tsaina ny Fanahy Masina ijoroana amin’ny fahamarinana. Mampisy fiainana sambatra sy fiainana mandrakizay i Jesosy Kristy, fa fahaverezana kosa no hita taratra amin’izay miala amin’ Andriamanitra. - Aza manadino fa Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana. Ao amin’i Jesosy Kristy dia voatafy fahamarinana izay mandray azy ho Mpamonjy sy Tompo.

 

Ho fehin’izany rehetra izany dia mazava ny teny ao amin’i I Jaona 3: 7 manao hoe: ”Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka an’ Andriamanitra”.  

 

Amena!